BOKY Les gens du pouvoir a Madagascar - Didier Galibert
search
  • BOKY Les gens du pouvoir a Madagascar - Didier Galibert
  • BOKY Les gens du pouvoir a Madagascar - Didier Galibert

BOKY Les gens du pouvoir a Madagascar - Didier Galibert

€ 35.00
Tax included Disponible sur commande sous quelques jours

Boky siantifika, tsy maintsy komandiana, mila miandry fahatongavana elaela.

Quantity

 

Sécurité du paiement

 

Délais et frais de livraison

2009 Karthala - CRESOI / Universite de La Réunion

Ny fiforonan'ny Fanjakana malagasy taorian'ny fanjanahan-tany no alalinina eto anaty topy midadasikamiohatra amin'ny famoronana ny Repoblika sy ny fanambarana ny fahaleovantena. Manaja ny vanim-potoana sy ny zava-mitranga, ity boky ity dia tsy mijanona ho mpitanisa ny zava-nitranga fa maiezaka kosa ho mpitrandraka ny tombana sy izay hiafaran'ny fitondrana toa zary mifanohitra be eny ihany, satria hita fa sady mitsingilahila ireo ambaratonga mijoro no najoro ihany koa avy amin'ny fanaovana safobemantsina ny asa miorina amin'ny firehana pôlitika.

Na ny fahantrana mihoa-pampana na ny fiverimberenan'ny adilahy pôlitika (1972, 1991, 2002) dia tsy nidika mihitsy ho faharavan'ny Fanjakana, efa ela talohan'ireny ny fisian'ny ady antsanga teo amin'ny mponina miohatra amin'ny fananany sy ny fombany ho fahazoam-pahefana. Fa voafehy ao anatin'ny fotoana mitarazoka, ny firiorion'ny fiainana pôlitika malagasy dia azo hazavaina koa amin'ny fitongilanana zary tarazo amin'ny fananan-jo. Ny Fanjakana izay grefy napetaka, nalaina mivantana avy amin'ny pôlitika moderna eoropeanina dia ankatoavin'ireo rehetra mpandala ny idealy repoblikanina sy ny firoborobon'ny fanoavana ny demokrasia tohanan'ny fitambaran'ny Fiangonana ho ekiomenika miara-mikaondoha.

Izany fivelarana izany anefa dia miseho ho endrika herisetra mianjady amin'ny fahatsiarovana ny fahamasinan'ny mpanjaka manerana ny Nosy : firaisan-kinan'ny olona sy ny raha, ny finoany fa ny mpanjaka dia mpiaro sy mpamelona, tsy fitovian-jo miantraika hatramin'ny zo hiteny sy zo hanan-tany. Ny fahasahiana hampanjaka ny demokrasia sy ny fanajana ny fandovana, ny sarin'ny olona napetraky ny Nahary no sonia mandray roa mahatonga ny vahoaka ho sadaikatra.

Didier Galibert dia historien sady docteur en ethnologie, mpikaroka mikambana ao amin'ny SEDET ao Paris-VII Denis-Diderot. Nonina tany Madagasikara izy ny taona 1990 hatramin'ny taona 1996, tamin'ny fotoanan'ny tetezamita nandrava ny fitondrana jadon'i Didier Ratsiraka.

Ny fikarohana ataony dia miompana amin'ny famolavolana ny saha pôlitika malagasy hatramin'ny fahaleovantena. Mitodika amin'ny fanontaniana telo izay fikarohana izany : ahoana ny fiasan'ny fahefam-Panjakana? Inona ny didy aminn'y fiovan'ny elita pôlitika ? Inona ireo firehana pôlitika mivezivezy amin'izany fahefana izany ?

124GEN

Data sheet

Taona:
2009
Takila:
575
ISBN:
978-2-8111-0213-5

Specific References

ean13
9782811102135
Comments (0)
No customer reviews for the moment.