• Out-of-Stock
DVD Les 16 de Basse Pointe - Camille Mauduech
search
  • DVD Les 16 de Basse Pointe - Camille Mauduech

DVD Les 16 de Basse Pointe - Camille Mauduech

€ 34.99
Tax included

Horonantsarin'i Camille Mauduech. Tantara mavesatra mila ho hadinon'ny fitsarana rakotry ny kolikolim-pitondrana, antsampanan'ny mampitroatra sy ny tsy rariny, mampahatsiahy sy mamerina eo amin'ny toerany ny fanjanahan-tany sy ny zioga niainan'ireo mpiasa martinike tamin'ny taonjato teo aloha. Lohahevitra mbola mampivarahontsana, 60 taona aty aoriana

Quantity
Out-of-Stock

 

Sécurité du paiement

 

Délais et frais de livraison

Horonantsarin'i Camille Mauduech.

Taona 1948, Martinique, anaty hotakotaky ny fitokonana ny tane nan'ny mpanao siramamy, mpiadidy, lehilahy fotsihoditra safiotra iray, voatsatok'antsy in-36 no hita faty tao amin'ny saham-pary iadidiany. Natao hazalambo ny olona nandritry ny herinandro maromaro, olo-mainty mpanapa-pary 16 no voasambotra sy notanana am-ponja vonjimaika nandritry ny telo taona.rnTaona 1951, ny fitsarana azy ireo, nalefa tany Bordeaux, seranana fanondranana andevo fahiny, ijaridinan'ny didim-pitsarana tsy manam-paharoa sy tsy misy hiodivirana, no nanjary ho fitsarana voalohan'ny fanjanahan-tany frantsay tany Antilles, natolotra teo imason'"ireo raibeny".

"Taona maro lasa izay no nahafantarako an'i Georges Gratiant, lahiantitra, mahafinaritra, vitsy teny, izay hany fantatro momba azy dia ben'ny tanà na kaomonista tao Lamentin izy nandritry ny 40 taona teo. Tsinjoko ho lasa vinany lava, rendrendremana rehefa tolakandro, eo an-tokonan'ny tranony atao hoe Diamant. Maty izy ny taona 1992.
I Jenny vadiny no namboraka ho ahy, izay azoko antoka fa niniany natokana ho ahy, baoritra telo mirakitra tahiry, komavoky ny taona, sao, hono, mety hahaliana ahy. Nosokafako ireo tahiry ary izay no nahitako ny tantaran'ny 16-n'ny Basse-Pointe, izay tsy fantatro sy tsy azoko veroka akory ny fisiany.
Ny 6 septambra 1948, tany Martinique, tao Basse-Pointe, hita ny fatin'i Guy de Fabrique, lehibe fotsihoditra, voarasan'ny antsy in-36 tany an-tsaham-parin'ny fiadidiana atao hoe Leyritz izay niadidiany.
Ny 9 aogositra 1951, feno telo taona ny fitanana am-ponja vonjimaika, mpiasa mainty enina ambin'ny folo no indreo eo amin'ny toeran'ny voaheloka tao amin'ny lapan'ny fitsarana tao Gironde.
Mpisolovava 11, antie sy avy any Frantsa, no niaro azy ireo, mpikambana ao amin'ny Antoko Kaominista avokoa, maro amin'izy ireo no natolotry ny Secours Populaire Français.
Anisany, i Georges Gratiant, mpitarika ny Federasiona kaominista any Martinique, i Henri Douzon, nisolovava ny solombavambahoaka malagasy tamin'ny 1947 raha niady tamin'ny governemanta frantsay, nisy nikasa hamono tany Madagasikara nandritry ny fitsarana, i Leo Matarasso membre actif de la rédaction de la déclaration d'Alger sur le droit des peuples, Gerty Archimède, vehivavy voalohany tany Antilles voafidy ho solombavambahoaka tao amin'ny Assemblée Nationale ny taona 1946 sady mpisolovava vehivavy voalohany tao Guadeloupe, i Marcel Manville, iray antoka tamin'i Frantz Fanon tamin'ny adin'i Algerie nanohitra ny Algerie frantsay.
Ny fitsarana, izay natao ho fitsarana zava-misy sy vonoan'olona, dia niova miandalana nandritry ny efatra andro nisiany ho fitsarana mihalohalo pelitika.
Teo an-toerana, indrindra tao Bordeaux, seranana fanondranana andevo fahiny, ireo mpisolovavan'ny fiarovana, notohanan'ireo mpanao gazety nitolona, dia handroso ka nanolotra ny tetik'ady ara-poko, tantara, fiaraha-monina sy fitiavan-tanindrazana fa ny pelitikan'ny mpanjanaka, izay hita soritra hankany amin'ny dingana voalohan'ny fizarazarana ho departemanta , no eo amin'ny toeran'ny voampanga ary voatonona ho fototry nyœ derapage humain'i Basse-Pointe.
Narosony ny fahantran'ny vahoaka, ny fanararaotana ny mpiasa madinika sy ny fanaporetana ataon'ny mpanjanaka ao main'ny tany iray izay nangataka tamin'ny 1946 ny fikambanany amin'i Frantsa ho departemanta frantsay, kanefa mihozongozona tanteraka ny tanjaky ny mpanjanaka frantsay n'aiza n'aiza, indrindra i Madagasikara sy i Indochine.
Ny 13 Aogositra 1951, nivoaka ny didim-pitsarana tao amin'ny lapan'ny fitsarana tao Bordeaux nanafaka ireo antsoina hoe “ Les 16 de Basse-Pointe."
Camille Mauduech

Coffret digipack contenant :
- 2 DVDs 9 (version cinéma du film et version TV)
- livret 100 pages

 

 découvrez également le DVD L'affaire de l'OJAM (la Martinique aux Martiniquais) de Camille Mauduech

 

Le dvd acheté à ce tarif est réservé à l'usage privé dans le cercle de famille. Pour toute autre utilisation, merci de nous contacter

308SEI

Data sheet

Taona:
2009
Réalisateur/trice:
Camille Mauduech
Pays:
Martinique
Format:
NTSC / PAL
Subtitles:
Français, English
Running time:
DVD1 : 108min + DVD2 : 105min
Image:
16:9
Fiteny:
Français
Booklet:
100pages
Packaging:
coffret
Comments (0)
No customer reviews for the moment.