Laterit productions

Orinasa mpamokatra, mpanapariaka ary mpanonta mahaleo tena naorin'i Marie-Clémence Andriamonta sy Cesar Paes mpanoratra sy mpanatontosa sarimihetsika tamin'ny taona 1988.

Raha te hahalala bebe kokoa, tsidiho ny tranonkalanay : www.laterit.fr

 

Ho hitanao ato amin'ity tsena ity ireo DVDs sy CDs-n'ny horonantsarimihetsika novokarinay, ary ireo tsanganasa hafa ankafizinay sy ezahinay arovana, anisan'izany ny collection Voan-dalana :

- DVDs horonantsarimihetsika anay (L'Opéra du bout du monde, Mahaleo, Saudade do Futuro sns) sy sarimihetsika hafa tianay, ohatra : Mina Agossi, Une voix nomade, bangon-tantaran'ilay mpihira jazz frantsay-beninoazy notontosain'i Jean-Henri Meunier.

- BOKY nosoratan'i Raharimanana, JJ Rabearivelo, Dox, eo koa ireo bokin-tsary tena fatratra (Malala Andrialavidrazana, Pierrot Men, kolontsaina vakoka malagasy), sy ny boky natontan'ny éditions Karthala.

- CDs tsy hitanao any an-kafa : tahaka an'i intégrale Mahaleo na koa i Masoala, horonampeo voalohan'ny Madagascar All Stars, ao koa i KA an'i Seheno, sns.

Aina Randrianaivosoa no mpiangaly ny teny malagasy eto aminay hatramin'ny horonantsary "Mahaleo" izay izy no nandrakitra an-tsoratra sy nandika amin'ny teny frantsay ny hira rehetra. Mpanoratra tononkalo sy tononkira, izy no nanoratra ny amboaran-tononkalo "Farango sosona" izay amidy eto. Izy koa no nandavorary ny fandikana amin'ny teny malagasy ity tsena ity


Mandalova koa hividy entana ao amin'ny

9 rue de Terre-Neuve 75020 PARIS

Alatsinainy - Zoma: 12h hatramin'ny 19h ary ny Sabotsy mila maka fotoana

fanazavana rehetra Tel : 01 43 72 74 72 (vidin'ny antso an-tariby tsotra)