

Malala Andrialavidrazana, loka voalohan'ny HSBC ho an'ny sary, maneho jery miavaka ny toeram-pandevenana manerana ny tany
Sécurité du paiement
Délais et frais de livraison
Editions Actes Sud
Malala Andrialavidrazana dia nanomboka liana tamin'ny toeram-pandevenana nandritry ny fianarany "architecture". Ireo sary ireo dia anisan'ny sary 7000 nalainy tamin'ny 2003 tamin'ny fandehanany tany Amerique du Sud sy Asie ary Oceanie.
Lokan'ny fondasionina HSBC ho an'ny sary.
"Fasana rakotry ny zavamaniry na takon'ny trano mitsangana entin'ny fivoarana miaina, sisam-pahatsiarovana niniana hohadinoina, farasisa zary nomavoin'ny taona, sarin'ny endrik'ireo olona lasa izay tsy ho fantatra intsony kanefa tsaroan'ny tadidy, anaty embona mazà na, indray mitopy anaty takila avadika… Ity loka voalohan'ny Fondation CCF momba ny sary 2004 ity dia nanao asa goavana herintaona talohan'izao momba ny fasana eran-tany, tsy mianina fotsiny amin'ny fireham-pinoana, voatery ho izay na koa zava-pady, fa sary manohina ny maha-olombelona anaty poezia : entiny isika mba hihevitra fa tsy misy n'inona n’inona manodidina antsika afa-tsy toerana mifono misitery izay iriariavantsika mpandalo.
Virginie Lefebvre/Photographie.com
Data sheet