

CD Tarika Mahaleo noraisim-peo ny taona 1997, tsy hita na aiza na aiza afa-tsy ato amin'ny tsenanay !
Sécurité du paiement
Délais et frais de livraison
© Cod-music AG / ProEuroMad 1997
Ho fahatsiarovana ny 1947 (tadidiko)
"Tsy misy firavoravoana, mankalaza ny faha-dimampolo taonan'ny tabataba niadiany hiala amin'ny ziogan'ny mpanjanaka i Madagasikara.
Feo iva sy manetry tena no injao miboika avy any an-toerana lavi-mason'ny Nosy mangataka amin'i Frantsa hifona, "azafady fotsiny". Toy ny loharano sy ny fakan'ireo ala any Angavo, tahaka izany koa ny fahatsiarovana, tsiaro mangavoky ny fahalasanan'ireo razana, tsiaro tena rariny hanazava sy hampieritreritra ny tadidy mangadihady, kanefa mbola mankarary anaty.
Irariana ny hira sy kantonay ho tsimo-tsary fanainga amin'ny Zon'ny Fahatsiarovana ho an'ny Nosinay. Ry zaza niara-nihira sy niara-nianatra, izahay Mahaleo dia efa ela no nihira firahalahiana, hiaina isika"miaraka tsy ankatezerana sy lolom-po" amin'ny firenena rehetra. Tsy am-panetren-tena ankosoka, efa 25 izahay no niaina marina izany."
Bekoto
TRACK-LIST
1. Tadidiko Ry Zalahy / Dama 5:00
2. Efa Ela / Bekoto 3:57
3. Rehefa maty aho / Ratsimiseta-Dama 5:47
4. Tontolo iainana / Raoul 6:31
5. Rafahafahana / Dadah 5:04
6. Paiso ra-kena / Bekoto 3:41
7. Voakazo voarara / Raoul 2:30
8. Iantrao / Dadah-S.Ortega 4:07
9. Salanitra / Bekoto 4:57
10. Volasoa / Dama 3:43
11. Meloka / Dadah 3:56
12. Raha noana ny kibo / Raoul 3:46
13. Zanako Vavy / Dadah 5:11
14. Rahoviana indray moa / Dama 2:52
Data sheet
You might also like